gffm2013 - Formation intensive des membres
  Page d'accueil
  CONTACT-MAIL
  Resabe-Kritika
  Formation intensive des membres
  G.F.F.M ?
  TE HO MPIKAMBANA?
IREO FORMATEURS VOATENDRY HO ISAN'IREO MPANENTANA SY MPANOVA TOE-TSAIN'NY MALAGASY (Psychologie-reflective):
Araka ny voalazan'ny filoha Mpanentana ny antoko G.F.F.M dia ireto avy ny anaran'ireo hampanao formation ny mpikambana manerana an'i Madagasikara: Ny informatika sy psychologie aloha no mandeha aloha mba hampavitribitrika ny fampandrosoana haingana an'i Madagasikara, ka ireto avy ny lany araka ny decret N° 452-AT/Amb/2012:
Arak'izany dia ireto aloha no voatendry tamin'ny ALAKAMISY 07 JIONA 2012, toerana Lot 101 169 Ter Tanambao Ambohimasina AMBATONDRAZAKA araka ny fitsipika velona dia mandra-pahatonga ny CONGRES NATIONAL no miasa ireo birao fa mbola mety miova:
1/ FILOHA: RATSIMANDRESY Samson N° :0314
2/ MPITAMBOLA:RAZAFITSALAMA (Colonel) N° :0315
3/ MPANAMARIM-BOLA: RAKOTOARIMALALA Georges N° :0317
4/ MPITANTSORATRA: RANDRIANASOLO Augustin Roger M. N° :0316
5/ MPANOLONTSAINA: RABENANDRASANA Armand N° :0320
6/ sy ny mpikambana vitsivitsy :

Posté par courrier on jan 26, 2012 dans Politique | 0 commentaires “Mbola sarotra tanterahana izany fodian’ny filoha teo aloha Ravalomanana izany raha izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, arak’izany raha tian’ny mpitondra sy ny mpanao pôlitika ny hamarana ny krizy dia tokony averiny eny am-pelatanan’ny tafika ny fahefana”, hoy ny mpanorina ny antoko GFFM, ny Pasitera Mailhol. Nambaran’ity mpanao pôlitika ity tokoa mantsy fa na ampidirina eto an-tanindrazana ingahy Ravalomanana na ho sakanana ny fidirany eto dia tsy maintsy hiteraka korontana hatrany. Raha ny fahitan’ity mpitarika antoko pôlitika ity arak’izany dia tokony hisy ny fananganana tetezamita vaovao ka tsy ao anatin’ireo ankolafy pôlitika efatra (4) ireo no mitarika izany. Teboka miisa telo no nambaran’ny filohan’ny GFFM fa tsy maintsy ho tanterahan’ny fitondrana mikasika ny raharaha Ravalomanana. Voalohany : na ampodiana ingahy Ravalomanana dia samborina, faharoa : na ampodiana dia tsy samborina, ary farany : na tsy ampodiana mihitsy. Ireo teboka miisa telo ireo anefa dia samy miteraka korontana sy savorovoro eto amin’ny firenena avokoa, raha ny nambarany. Na izany aza anefa, ny tsy fampodiana io filoha teo aloha io kosa dia midika ho fanitsakitsahana ny sori-dàlana izay efa neken’ireo mpanao pôlitika ihany koa, raha ny nambaran’ny Pasitera Mailhol hatrany. Hatreto arak’izany dia tsy misy vahaolana intsony eto amin’ny firenena afa-tsy ny fanoloran-dRajoelina ny fitondrana eny am-pelatanan’ny tafika, hoy hatrany ny GFFM. Mikatso tanteraka ny raharaham-pirenena raha ny fanamafisan’ity mpanao pôlitika ity, fa indrindra ny mikasika ny fodiana na tsy fodian’ny filoha teo aloha Ravalomanana. Mikasika ireo fanenjehan’ny mpanao pôlitika sasany ny Jeneraly Ravalomanana Richard kosa indray dia nanambara ity farany fa “ny fanjakana no tokony hanao fanambarana ampahibemaso fa efa foana ilay didi-fampisamborana ny filoha teo aloha Ravalomanana, fa raha toa ka tsy mbola misy izany dia azon’io Jeneraly io tsara ny mampihatra ny lalàna ka misambotra io filoha teo aloha io”. Liva R.
Aujourd'hui sont déjà 1 visiteurs (1 hits) Ici!
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement